Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy ny faritra afovoany atsinanana amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hisy fidinana ny maripana ambony ho an’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanana, rahampitso, fa hiverina hiakatra kosa izany amin’ny faran’ny herinandro.
Nohavaozina ny drafitra fitantanana ny loza ho an’ny faritra Vatovavy, nandritra ny telo andro, niarahana tamin’ireo distrika telo mandrafitra ny faritra: i Mananjary, Ifanadina ary i Nosivarika izany, hanamaivanana ny mety ho fiantraikan’ireo loza sy ahafahan’ny mponina miatrika mialoha izany, ho fiarovana ny ainy sy ny fananany. Faritra andalovan’ny rivodoza ary ahitana tondradrano sy fihotsahan’ny tany matetika ny faritra ary vao tsy ela no tena nitondra takaitra mafy tokoa. Tamin’ ny fandalovan’ilay rivodoza Batsiray sy Emnati.
Anio manomboka amin’ny 8 ora maraina, ho tapaka ny lalana amin’ny toerana sasantsasany eto Antananarivo, mandritra ny hetsika fahatsiarovana ny andro nahafatesan’ny kolonely Ratsimandrava. Voakasik’izany ny lalana Rakotomalala Joel, eo amin’ny Jirama Faravohitra. Eo koa ny lalana Tsiombikibo manoloana ny minisiteran’ny Rano ary ny lalana Pierre Rapiera, kaomisaria boriborintany faharoa.