« WGS 2025 »: Karohina ny vahaolana hitondra fampandrosoana

Hamaritra ny tontolon’ny hoavy hisian’ny fampandrosoana ny fivoriambe “WGS” any Dubaï. Karohina ny vahaolana iombonan’ny rehetra manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia.

Nisokatra ny talata 11 hatramin’ny 14 febroary ny Fivoriambe farantampon’ny governemanta ma­ne­ran-tany (WGS 2025), andiany faha-12, atao any Dubai, Emirats Arabo Mitam­batra (EAU). Fihaonambe, mifototra amin’ny lohahevitra hoe «ny hamolavolan’ny go­ver­nemanta ny ho avy», hivondronan’ny filoham-panjakana manodidina ny 30, mpitarika fikambanana iraisam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Voaasa manokana handray fitenenana amin’ity fivoriana ity ny filoha Rajoelina Andry. Mifantoka amin’ny haitarika sy ny fizahantany ny lahadinika ho velabelariny. Hisy koa ny fihaonany manokana amin’ny tomponandraiki-panjakana ambony sy ny vondrona iraisam-pirenena samihafa, mandritra ity fivoriambe “WGS 2025” ity.
Maromaro ny lohahevitra noresahina nandritra ny fanokafana ny fivoriana, omaly 11 febroary. Toy, ny fikaonandoha mahakasika ny hoavin’ny tontolon’ny asa, ny fifanakalozana traikefan’ny samy governemanta, ny asam-panjakana, ny hoavin’ny fampitambaovaon’ny governemanta, ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), ny hoavin’ny fanabeazana, ny hoavin’ny fitaterana ary ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy.

Fihazakazahan’ny teknolojia

Fikaonandoha iraisam-pirenena voalohany handinihin’ ny governemanta, ny orinasa indostrialy, ny rafitra iraisam-pirenena, ny paikady mila hapetraka ity “WGS 2025” hatao any Dubai ity. Sambany, satria mahatsapa ny firenena tsirairay, fa manova zavatra maro ny fihazakazahan’ny fivoaran’ny teknolojia sy ny lafiny zava-misy eo amin’ny lafiny hay politika arakaraka ny firenena na jeopolitika. Koa, tanjona amin’ity fihaonambe ity, ny hikarohana vahaolana hitondra fampandrosoana ho an’ny 10 taona ho avy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: