«Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny mpikambana momba ny fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa.
Voafaritry ny lalàna malagasy fa adidin’ny mpampiasa ny misoratra anarana amin’ny sehatra fahasalamana ho an’ny mpiasa fa tsy safidy. Misy ireo tsy mbola miditra noho ny antony samihafa. 5% amin’ny karaman’ny mpiasa ny latsakemboka ho an’ny orinasa raha 1% ho an’ny mpiasa izay heverina fa tsy lafo velively, araka ny fanazavana. Tsy fanomezan-danja ny fahasalaman’ny mpiasa ny tsy firosoana amin’izany ary mbola mila fanentanana ny eny anivon’ny orinasa maro.
«Mandray olona 25 isan’andro eo ho eo ny ivontoerana, arakaraka ny vanim-potoana. 20 taona nikarakarana ny mpiasa ny ivontoerana izay manana orinasa mpikambana 400 eo ho eo», hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Randriamananandro Hervé. Mitsabo ny aretina ankapobeny sy mitsabo ny aretin’ny mpiasa miaraka amin’ny fizaham-pahasalama manokana ny ivontoerana telo, eo koa ny fitsaboana nify. Manana laboratoara mpiara-miasa izy ireo.
Vonjy




