Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indianina hatrany i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hijerena ireo sehatra stratejika ahafahan’izy ireo mampiasa vola. « Ilana ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny angovo, izay laharam-pahamehana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa indianina izany », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly, nandritra ny fivoriana «Special India-Madagascar Trade Investment Promotion Event» tetsy Ambodivona. Notsindriny manokana fa manam-pahaizana eo amin’ny lafiny famokarana herinaratra ry zareo indianina ka zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’izy ireo.
Ankoatra izay, misokatra sy vonona handray ny sidina Air India eto Madagasikara ny firenena malagasy hanatrarana ny tanjona 1 tapitrisa mpizahatany amin’ny taona 2028. Manam-pahaizana amin’io sehatra io ny indianina ka afaka manampy antsika hanatratra ny tanjona apetraka.
Betsaka ny tombontsoa azon’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Inde manoloana ny fivoaran’ny fifandraisan-davitra sy ny fampiroboroboana ny teknolojia. Noho izany, mbola hitohy mandritra ny « India-Africa Business Conclave” amin’ny volana aogositra ny fihaonan’ny roa tonta. Hamafisina ao anatin’izany ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny Inde sy ny firenena afrikanina.
Henintsoa Hani