Oniversiten’i Fianarantsoa : Napetraka ny FabLab

Natomboka tamin’ity herinandro ity ny asan’ny FabLab solidaire Hay Tao ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Fiaraha-miasa amin’ny Orange solidarité Madagascar sy ny Agence universitaire francophone (AUF) izany. Novatsiana fitaovana ilaina rehetra ny mpisitraka ny ivontoerana misy ny FabLab, ahitana kojakoja niomerika hatramin’ny imprimante 3D. Mbola hampiofana ireo liana sy vonona ny tomponandraikitra manomboka amin’ny famoronana ny tetikasa hatramin’ny famoahana ny « prototype ».
Singa iray manamafy ny fandaharanasan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa momba ny hay Tao sy ny teknolojia niomerika ny FabLab, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Oniversite, ny profersora Hajalalaina Aimé Richard.
Efa manana FabLab koa ny Oniversiten’Antananarivo ka ireo mpianatra eny amin’ny politeknika Vontovorona no mampiasa azy ho fampiharana ny lesona any am-pianarana.
Nanotrona ny hetsika tany an-toerana, ny talem-paritry ny AUF Afrique Australe sy ny ranomasimbe Indianina, ny Pr Aissatou Sy-Wonyu, sy ny filohan’ny Orange solidarité, i Benja Arson.

Vonjy

Partager sur: