Tobim-pahasalamana: Azo tsapain-tanana ny fomba fiasa 5S

Manatsara ny fomba fiasa eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tari-dalana « Kai­zen ». Tanjona ny fana­tsa­­ra­na tsy an-kiato ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana sy ny fomba fiasa. Nofanina, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony hanaraka io fomba fiasa fanaovana sivana ny fitaovana sy kirakira eny amin’ny tobim-pahasalamana io.
Efa azo tsapain-tanana ny vokatra tsara avy amin’ny fampiharana ny 5S eny ifotony. Dingana faharoa aorian’izay ny tari-dalana « Kaizen ».
Torolalana fizarana ny fitsipika sy ireo fahaiza-manao mila ananana no tena hatao amin’izany. Fahaiza-mandamina, mandrindra ary mampilamina ny toeram-piasana. Ma­mantatra ny fitaovana tena ilaina sy ampiasaina matetika ary mametraka izany amin’ny toerana mora raisina kanefa azo antoka. Fandaminana ireo antontan-taratasy isan-tsokajiny mba tsy hifangaro ka mora ny mikirakira sy ny mitady azy avy eo. Fahaizana manavaka tsara ireo fitaovana efa tena tsy ilaina intsony, mila havaozina sy hatsaraina na soloina tanteraka mihitsy hifanaraka amin’ny zava-misy….

Tatiana A

Partager sur: