INDRAY MIJERY

Nanohy ny fidinana tao Vangaindrano ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra ao an-toerana, nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Marathon de formation, ka tanora maro no nisitraka fiofanana faobe momba ny fanamboarana savony sy labozia, ahafahan’izy ireo mamokatra sy mivelona amin’ny asa velon-tena avy hatrany.
Nisitraka vata fampangatsiahana hitehizirana ny vaksiny, izay fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny CSB II Mahazony, ao amin’ny distrika Ambalavao. Nisy ny mpiara-miombon’antoka nanome an’io fitaovana io ho amin’ny fanaovam-baksiny, hitazonana ny kalitaon’ny vaksiny ho an’ny ankizy.
Tontosa ny fiofanana ho an’ny Andrimaso mpiaro ny zaza sy ireo olona marefo, natao nandritra ny enina andro, ho an’ny kaominina Maroalomainty sy Maroalopotsy.Voaresaka nandritra izany ny zo sy ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy, fisorohana ireo herisetra sy fanararaotana ara-nofo…
Nihaona ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny orinasa Hermès Conseils, Studia, Digitech ary Ad Valorem. Noresahina tamin’izany ny dingana fanovana ara-niomerika ireo taratasim-panjakana eto Ma­dagasikara ao anatin’ny tetikasa Prodigy. Nahafahana nijery ny fandrosoana vitan’ny CUA eo amin’ny lafiny fampidirana sy fakana ireo angon-drakitra ny fihaonana.

Partager sur: