Fihaonamben’ireo vehivavy mpandraharaha : Hojerena ny fihariana maharitra sy matanjaka

Ambohipihaonan’ireo vehivavy mpandraharaha maneran-tany i Madagasikara, mandritra ny fihaonamben’ny « Comité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales » (FCEM). Hifanakalo hevitra ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena ireo mpisehatra samihafa

Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily, ny fihaonamben’ny « Co­mité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales » (FCEM). Lohahevitr’ity hetsika goavana ity ny « Fi­ha­riana matanjaka sy mampiaty : vehivavy mpandraharaha mampifandray ny avaratra sy atsimo ». Hifampizara ireo paikadim-pampandrosoana ny toekarena mandritra io fotoana io ireo vehivavy mpandraharaha miisa 150 avy amin’ny firenena maro. Hisy ny lohahevitra hifanakalozan-kevitra sy hifampizarana traikefa ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra. « Zava-dehibe ho an’ny vehivavy malagasy mpandraharaha ny fandraisana ny hetsika toa izao. Ho ampisehoana mandritra ireo fotoana ireo fa betsaka ny tombontsoa azo amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara », hoy ny filohan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha malagasy (GFEM), Razakaboana Fanja, sady mpikarakara ny hetsika nandritra ny fampahafantarana izany ny alarobia teo.

Fihariana
Matanjaka ny ady hevitra mandritra ny telo andro ha­naovana ny fihaonambe. Horesahina manokana ny fandraharahan’ny vehivavy, ny tontolon’ny fihariana. Hifana­kalo hevitra momba ireo paikady mahomby manoloana ny krizy maneran-tany ireo mpisehatra. Hojerena ihany koa ny fomba hananganana lalam-pihariana matanjaka eo amin’ny avaratra sy atsimo ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana.
Ankoatra ireo, horesahina ny anjara toeran’ny lehilahy amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy sy ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny toekarena.
Ankilany, hisy ny hetsika ara-kolotsaina hanandratana avo ny maha malagasy, toy ny fitafy sy ny sakafo avy eto an-toerana.

 

Henintsoa Hani

Partager sur: