Tontolo iainana maitso: Antoky ny toekarena manga maharitra

Mifampiankina ny tontolo an-tanety sy ny tontolo an-dranomasina noho izy ireo samy marefo manoloana ny fiovao­van’ny toetr’andro. Miantoka ny toekerana manga ny ala sy ny rano satria manampy amin’ny fihariana sy ny fanjonoana. Antony nahatonga ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga namboly hazo teny amin’ny kaominina Bongatsara, distrika atsimondrano, omaly. Zana-kazo miisa 3 000, ahitana ny acacia, frêne ary kininina, no nambolena teny an-toerana. Santatra am-bavarano ny hetsika atao fa hitohy amin’ny fambolena honko any amin’ny faritra samihafa. « Entanina ny rehetra hifanome tanana sy handrakotra ala an’i Madagasikara », hoy ny minisitra Mahatante Paubert. Ilaina, hoy izy, ny mamboly hazo hisorohana ny tsy fahampian-drano sy ny haintany. Marefo amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara ka mila jerena mialoha ireo vahaolana hisorohana izany. Ankoatra izay, mampananosarotra ny fiompiana trondro ny fiakaran’ny maripana. Sakana ho an’ny fanjonoana ihany koa ny fiakaran’ny rivotra sy ny fiforonan’ny rivodoza.

Henintsoa H.

Partager sur: