Nosafidin’ny orinasa Yas manokana ny vehivavy mikirakira antontan-baovao hamelabelarana ny fampiasana ny internet manaraka ny fenitra. Satria, efa mandeha amin’ny tambajotran-tserasera ny vaovao amin’izao fotoana izao. Manana tetikasa maro mitodika amin’ny vehivavy koa ny orinasa.
Nikarakara atrikasa niarahana tamin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara, omaly, teny Andraharo, ny orinasam-pifandraisana Yas. Tafiditra amin’ ny fanamarihana ny «Safer internet day 2025», anatin’ny volana febroary. Miara-miasa amin’ny fikambanana Cyber island izy ireo amin’izany. Amin’ny alalan’ny fanentanana sy fanabeazana momba ny fampiasana ny internet anaty fihetsika voaaro manodidina ny fikirakirana ny niomerika sy ny internet. Natokana ho an’ ny vehivavy mpanao gazety ny fifampizarana, omaly, fa tanjona ny hanentana ny olona rehetra mampiasa internet, hahafahany miaro tena amin’ny loza mifandraika amin’ny niomerika. “Anisan’ny asa iray ao anatin’ny fitsinjovana ny maha olona sy ny sosialin’ny Yas ny manome fahaizana mampiasa internet ara-dalàna miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka toa izao”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fifandraisana ao amin’ny Yas, Rabefitia Riantsoa.
Hetsika iraisam-pirenena ankalazaina isan-taona ny «Safer internet day» ka niantefa tamin’ny ankizy izy io tany am-piandohana. Eto Madagasikara, tsy mbola mampiasa internet loatra ny ankizy fa ny tanora sy ny olon-dehibe no miditra amin’io sehatra io ka izay no maha zava-dehibe ny fifampizarana ho an’ny vehivavy mpanao gazety. Betsaka koa ny mpanao gazety no niharan’ny “Cyber attack” ka mila mitandrina amin’ny fikirakirana ny internet eo amin’ny asany satria saro-pady ny vaovao mivoaka.
Vinan’ny fikambanana Cyber island ny hametraka ny kolontsaina fiarovan-tena ho an’ny tanora sy ny daholobe amin’ny fampiasana ny niomerika sy ny fampiasana internet amin’ny fomba manaraka ny tokony ho izy. “Komity mpikarakara ny hetsika, eto Madagasikara, ny fikambanana Cyber Island, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana”, Rakotomalala Andry.
Vonjy