Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro: Fitaovana matanjaka hanentanana ny onjampeo

Andro maneran-tany ho an’ny Radio, ankalazaina isan-taona, omaly. Fitaovam-pifandraisana mbola be mpihaino ny Radio eto Mada­gasikara. Satria, izy no mitondra loharanom-baovao ho an’ny 80% amin’ny Malagasy amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra, araka ny fanazavana nomen’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, oma­ly, nandritra ny fanamarihana ny hetsika teny amin’ny Havoria Anosy.
Nofidin’ny Unesco ho lohahevitra ta­min’ity taona ity ny “Onjampeo sy ny fiovan’ny toetr’andro”. “Satria, mitondra voka-dratsy maro ho an’ny fahasalamana, fihariana, fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro ny fi­ovan’ny toetr’andro”, hoy ny solontenan’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco, Rajaonarivelo Hasi­na. Mam­pahafantatra ny antony sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ary manampy amin’ny fanabeazana ny mpihaino hikajy ny tontolo iainana
ny fandaharanasa mandeha amin’ny onjam-peo. 550 ny isan’ny Radio eto Mada­gasikara, raha 175 ny fahita­lavitra ka mbola matanjaka ny onjam-peo hitondrana fanentanana hiteraka fiovam-pihetsika tsara any amin’ny mpihaino.
Mbola voaporofo fa manana ny lanjany ny Radio nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus ka nandefasan’ny onjampeo re­hetra ny fepetra ara-pahasalamana isorohana ny valanaretina teto amintsika. Nampitaina mivantana tamin’ny onjam-peo 37 teto an-dRenivohitra ny fandaharana «feo iray» ho fanamarihana ny hetsika. Nizarana boky tantara an-tsary Ilon­tsaina artifisialy avy amin’ny Unesco ny mpianatry ny Oniversite Ravelojaona sy ny Club Unesco.

Vonjy

Partager sur: