Fankatoavana ny Kianja Barea: Ambony ny fanantenana !

Afaka andro vitsy, hivoaka ny valin’ny fitsirihana nataon’ny teknisianin’ny Caf sy Fifa ny Kianja Barea Mahamasina. Ambony ny fanantenana ho an’ny tomponandraikitra malagasy. Miandrandra lalao eo Mahamasina rahateo ny mpankafy baolina kitra.

Nifarana omaly ny fitsirihana ny Kianja Barea Mahamasina, nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zaka­rihya, sy i Craig Ian William. Nilaza izy mirahalahy, omaly, tetsy Mahamasina, efa hitan’izy ireo avokoa ny ezaka nataon’ny Malagasy rehetra ary tazana eny an-kianja avokoa ireo singa valo notakin’ny Caf.
Azo lazaina, araka izany, fa efa ambony ny fanantenana hahazoan’ny kianja fankatoavana.
« Efa vita avokoa ny asa rehetra nataon’izy ireo. Hanao ny tatitra any amin’ny Caf izy mirahalahy. Samy miandry ny valiny ny Malagasy rehetra ary antenaina fa handray an’i Ghana etsy Mahamasina isika, ny volana marsa », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny an-toerana.
Araka ny nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ho fantatra alohan’ny 16 febroary ny valin’izany tatitra izany. Tsara marihina fa tonga teny Mahamasina ihany koa ny talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika malagasy, Ranoromaro Lova.
Mpilalao avo lenta

Ny volana marsa ho avy io, hifandona amin’i Centrafri­que sy i Ghana, ny Barea de Madagascar. Lalao izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifaninanana maneran-tany “Mondial 2026”, hatao any Meksika sy Etazonia. Nilaza ny filohan’ny FMF, fa efa mitily ireo mpilalao avo lenta sy manana klioba ary ampy lalao tsara ny mpanazatran’ny Barea A, i Corentin Martins. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny anaran’ilay Malagasy hanampy ity frantsay teknisianina ity.

Fitia Randria

 

Partager sur: