SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, vehivavy, sokajy D2. Hifandona amin’izany ny ekipan’ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny FTVL (Lalamaty). Hotan­terahina miaraka amin’izany koa ny lalao sakana eo amin’ ny lehilahy. Hifanandrina ny 3FAI sy ny Cheminots.
Fantatra fa hisy Malagasy vitsivitsy handrafitra ny ekipa teknika miaraka amin’i Corentin Martins, amin’ ny fitantanana ny Barea de Madagascar. Anisan’izany ny mpitsabo sy ny mpanotra. Tanjona amin’izany ny hitondran’izy ireo ny traikefany amin’ny fampifandraisana ireo mpilalao avy eto an-toerana izay tena manan-danja.
Hotanterahina any Ihorombe, rahampitso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Cross Country ho an’ny Senior, lahy sy vavy. Handray anjara amin’izany ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny Federasiona malagasy (FMA). Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana natokana ho an’ireo sokajy zandriny.
Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ao amin’ny Complexe sportif du Val de l’Arc ao Aix-en-Provence France, ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe na “Passion pétanque française (PPF 2025)”. Manana ekipa roa miatrika izany i Madagasikara. Ekipa voalohany ny misy an’i Zigle sy i Tiana ary i Baloty. Ny ekipa faharoa kosa ahitana an’i Racle sy i Nanou ary i Tselonina.

Partager sur: