Tsy fanjarian-tsakafo: Ampiasaina ny drones hamatsy ireo toerana saro-dalana

Miha mivoatra ny teknolojia ho fanatsarana ny famatsiana sakafo ireo olona any amin’ny toerana saro-dalana. Ampiasaina ny drones ka vetivety dia voavonjy ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.

Manavotra ireo olona mila tohana ara-tsakafo maika any amin’ny toerana saro-dalana sy alavitra ny fampiasana drones tactiques. Notanterahina tao amin’ny toby fanjarian-tsakafo ifotony ao Lanakasy, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondro­zo, faritra Atsimo Atsinanana ny andrana voalohany tamin’izany drones mizara sakafo izany.
Fitaterana ana habakabaka ireo fanampin-tsakafo ha­nohanana ny mponina amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka no atao amin’ity fitaovana ity.
Fokontany 5 (Andranofe­no, Mahavelonkely, Ampasim­po­tsy…) no afaka nisitraka “Plumpy sup”. Any amin’ny toerana manodidina ny 7 km miala avy ao amin’ny distri­kan’i Vondrozo no nizarana izany tamin’ny alalan’ny sidina voalohany notanterahina tamin’ny drones tactiques miisa 2.
15 isam-bolana no sidina hataon’ireo drones ary afaka mitondra entana milanja 160 kilao isaky ny sidina ny iray amin’izany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny Pam no nahafahana nametraka ny tetikasa. Kendrena ny hamatsy ireo toerana rehetra mila tohana manerana an’i Madagasi­kara.
Mavesatra ny fandaniana amin’ny famatsiana sy fanohanana ara-tsakafo ireo olona any amin’ny toerana ratsy lalana. Tsy maintsy mandeha fiara tsy mataho-dalana hitatitra ny entana. Miampita rano, mety mbola hisy fahasimbana ihany koa aza ny entana taterina amin’izany na mety ho dobo rano mihitsy ka tsy tafita any amin’izay tokony hisitraka azy.
Ankoatra izany ny fandaniam-potoana, mety handany andro maromaro mihitsy vao tonga any amin’ilay toerana hanaterana ny entana.
Rehefa mampiasa drones kosa, ora no isaina dia tonga any amin’ilay toerana ny entana hamatsiana ireo olona amin’ireo tanàna saro-dalana.

Tatiana A

Partager sur: