Kaominina Ivato: Mihiratra ao anatin’ny tapa-bolana ny tanàna

Nisongadina ny asa vita tao anatin’ny tapa-bolana niverenan’ny ben’ny Tanàna Penjy Randrianarisoa teo amin’ny fitantanana ny tanànan’Ivato. Laharam-pahamehana ny fanarenana, indrindra ireo lalana mamakivaky tanàna.
Natomboka tamin’ny lalana any amin’ny fokontany Ilaivola, K3 sy K6 izany. Vita ny asa ary efa misitraka ny fiovana ny mponina. Nolokoina hamiratra ireo fotodrafitrasa sasany, toy ny sekoly…
“Nodiovina ihany koa ny tatatra eo an-tampon-tanàna ho fiatrehana ny fahavaratra mba tsy hampiparitaka ny rano. Nohavaozina ny fiantsonan’ny taxi-be izay ho lasa endriky ny tanàna.
Hitohy amin’ny fokontany rehetra ny asa fampandrosoana”, hoy ny ben’ny Tanàna. Hifarimbona ireo mpiara-miasa rehetra samy hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ivato.
Hanova, hanadio ary hampivoatra ny fomba fiasa ny ben’ny Tanàna amin’izao fahalaniany fanintelony hitondra ny tanànan’Iva­to izao. Maro ny asa miandry ary mitaky ekipa vonona hiara-miasa sy mitovy tadin-dokanga ny fanatanterahana izany.

Tatiana A

Partager sur: