Ahina tanteraka ny mety hoavin’ny zanak’i Toamasina. Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanabeazana any an-tsekoly sy ny fitaizana miainga avy any an-tokantrano ka manamora ny fandairan’ny fomba fibeazana an-dalambe, anjakan’ny asa ratsy. Ny tolakandron’ny alakamisy 13 febroary teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 55 minitra, raha iny hamonjy fianarana fanampiny, “cours”, miditra amin’ny 6 ora hariva iny ity zanaka mpanao gazety ity. Nandalo ny lalantany miditra ambadiky ny biraon’ny Firaisana Tanambao fahadimy sy sekoly tsy miankina iray mivoaka ery amin’ny fitsinjarana solika, eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Tanambao fahadimy. Nosakanana andian-jatovo mbola mpianatra teo izy, nalain’ ireto mpanao asa ratsy ireto an-keriny ny firavaka volafotsy teny amin’ny tanany havia, mbola niezaka hisintona ny kitapo teny an-damosiny koa ireo no nandalo ny namany hafa ka niezaka niaro azy. Saika hamoaka hazo tany anaty akanjo ireo andian-jatovo mpanao herisetra. Tafatsoaka izy roa lahy ka teny amin’ny fivarotan-tsolika vao afaka niantso ny ray aman-dreniny fa nisy nanao herisetra sy nandroba.
Tonga teny an-toerana, noho izany, ny vatatenan’ ilay mpanao gazety nijery ifotony ny raharaha fa saingy efa tsy hita teo ireo andiana mpianatra manao asan-jiolahy.
Tandindomin-doza
Amin’ny akapobeny, tandindomin-doza tanteraka ny hoavin’ny mpianatra sy ny fandriampahalemana raha izao no tsy voafehy ary ahina ny hisian’ny “foroche” eto tahaka ny nitranga tany amin’ny faritra hafa teto. Zava-doza izany rehetra izany. Manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny sekoly na koa ny fanabeazam-pirenena ny fitandroana ny filaminana manoloana ny firongatry ny ankizy tsy ampy taona efa miroso amin’ny asan-jiolahy.
Sajo