Fankatoavana ny Kianja Barea: Hofantatra amin’ity faran’ny herinandro ity

Hifantoka tanteraka any amin’ity resaka Kianja Barea ity ny sain’ny mpankafy baolina kitra, mandritra ity faran’ny herinandro ity. Efa vita avokoa ny asa nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy i Craig Ian William, nitsirika ny kianja teto an-toerana.
Hatreto, tsy mbola misy ny feo mandeha na nahazo fankatoavana ny kianja na tsia, fa raha ny filazan’izy mirahalahy ireo no dinihina, azo heverina fa ambony ihany ny fanantenana ho an’ny Malagasy. Marihina, efa vita avokoa ireo singa valo notakin’ny Caf, saingy misy ireo zavatra vitsy mbola tokony hatsaraina.
Zava-dehibe ho an’ny ekipa nasionaly sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny fanjakana ity raharaha ity. Raha mahazo valiny tsara ny FMF, afaka mandray lalao iraisam-pirenena amin’izay ny Kianja, izay mahazaka mpijery maherin’ny iray alina. Ampahafan­tarina fa ny volana marsa ho avy izao, hifandona amin’i Centrafrique, any ivelany, ny Barea de Madagascar. Aorian’ io, handray an’i Ghana. Fifa­nandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny fifaninanana maneran-tany “Mondial 2026”, ha­tao any Meksika sy Eta­zonia.
Hirarian’ny maro ny mba hiverenan’ny fijerena ireo lalaon’ny Barea eto an-tanindrazana

Fitia Randria

Partager sur: