Fanatanjahantena: Tsy mifidy taona sy sarangan’ olona ny Fampiasam-batana

Mahalava velona ny olona ny fikolokoloana ny vatana amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ireo taova rehetra anaty sy ivelany. Maro ny fomba hanaovana izany fa anisan’iray goavana ny fanatanjahantena. Tsy mifidy taona na sarangan’olona ny fampiasam-batana. Misy anefa ireo tsara ho fantatra araka ny torohevitr’ireo manam-pahaizana manokana.

Dingana voalohany amin’ny fampiasam-batana ny fanafanan-tena. Matetika tsinontsinoavin’ny olona izy io. Fanomanana ireo taova rehetra izany hampizotra tsara ny hetsika rehetra atao. Tsy maintsy hafanaina ny vatana iray manontolo. Atao tsikelikely sy moramora izany. Famoazana ireo nofo sy taova mbola matory sy mangatsiaka ny antony ary koa hialana amin’ny mety ho faharatrana anaty na ivelany. Fanamiana maivana sy kiraro tsotra fanaovana fanatanjahantena no entina. 10 – 15 mn ny faharetan’ny fanafanam-batana.

Ny fomba fiaina

Tsy mitovy ny fomba fiainan’ny olona tsy mampiasa vatana sy manao izany. Manome hery ary ahafahana manatanteraka am-pitoniana ny hetsika rehetra ny fahaizana misintona sy mamoaka rivotra amin’ny alalan’ny vava sy ny orona mba tsy hahasempotra. Mety ho sarotra izany eo am-panombohana ho an’ny olona vao hampiasa vatana fa mandeha miandalana avy eo. Mifameno ary tsy afa-misaraka mantsy io fahaizana miaina io sy ny tanjaka. Ankoatra izay, tsy mila mihenjana ny vatana mandritry ny fanatanjahantena fa atao malefaka. Manome ny hafainganana sy fifantohana ny fahafehezana ireo.

Ny fiatoana sy fialana sasatra

Tsy azo atao mitohy lavareny ny fampiasana ny vatana fa mila fiatoana. Aorian’ny hetsika iray, mijanona 30 segondra na 1 mn arakaraka ny habetsahan’ny zavatra natao hialana sasatra kely. Manala ny mety ho fahavoazana eo amin’ireo taova izany ary manome hery vaovao ho azy koa anefa. Mampilamina ny saina ary mahatsara ny fikorian’ny ra ao anaty sy mampizotra tsara ny fiasan’ireo taova rehetra ny fahaizana mandanjalanja ny hetsika sy ny fiatoana vetivety.

Sakafo sy rano

Fanontaniana mipetraka ho an’ny olona hanao fanatanjahantena hatrany ny hoe mila misakafo ve mialoha ny hampiasa vatana. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahaizana, tsy mety raha noana ny vatan’olombelona manao fanatanjahantena. Tsy fanao ihany koa raha toa ka voky loatra fa mety hitera-doza. Ny fihinana akondro 1 na 2 no voalaza fa manome angovo, entina miatrika izany. Ankoatra izay, manana ny toerany lehibe mandritry ny fanatanjahantena ny fisotroana rano, mialoha sy mandritra ary aoriana.

Mitsotra maka aina

Rehefa vita ny fampiasam-batana, tsy avy hatrany dia mandro na mipetraka fa mamerina ny vatana ao anatin’ny fitoniana. Manao dian-tongotra miadana 10 na 15 metatra. Aorian’izay, mamerina ny nofo halefaka sy hiverina amin’ny laoniny izany.
Fotoana inona no tsara hanaovana fanatanjahantena

Ny maraina ve sa ny atoandro sa ny hariva no mety hampiasana ny vatana? Tsy misy raiki-pohy voafaritra ny fanaovana fanatanjahantena fa miankina amin’ny fotoana sy fahafahan’ny tsirairay. Ao ny misafidy ny maraina, noho ny rivotra mbola madio sy milamina. Misy ireo manao izany atoandro noho ilay hafanana. Ny hariva, fa eo vita ny asa ka tsy misy mampirotoroto intsony. Ny zava-dehibe dia ny manetsika ny vatana 15 – 20 mn isan’andro na 45 mn intelo ao anatin’ny herinandro.
Faharariana vokatry ny fampiasam-batana

Rehefa manao fanatanjahantena, misy hatrany ny faharariana eo amin’ny vatana, indrindra ho an’ny olona sambany vao mampiasa vatana. Io ilay «courbature». Mitranga izany, 12 na 48 ora aorian’ny fampiasam-batana. Marary ny nofo sy ny hozatra raha vao kasihina na voadona. Araka izany, tsy mahazo mijanona fa tohizana moramora ilay hetsika hampalefaka ny fanaintainana. Fomba fanalana ny faharariana vo­katry ny kotrana, ny fandroana amin’ny rano mafana, ny fanorana azy amin’ny menaka mafana. Mety hisy fanaviana izany ho an’ny olona sasany, ka mila manatona mpitsabo.

Tombontsoa amin’ny fampiasam-batana

Maro ny zavatra tsara azo amin’ny fanatanjahantena. Manala ny rarintsaina, manatsara ny toe-batana sy ny fahasalamana ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka. Mam­pihena ny mety ho fahavoazana amin’ny homamiadana sy ny fahatavezana tafahoatra. Mahatsara ny tosi-dra, fa indrindra mahatanora lalandava. Manome fifaliana sy manome fahatokisan-tena ary mampitombo ny fivelaran-tsaina

Fanadihadiana notontosain’i Tompondaka

Partager sur: