INDRAY MIJERY

Mpisitraka Haratonaina an-tanàn-dehibe miisa 2 600, avy amin’ny Firaisana 7, ao Fianarantsoa Renivohitra, no notolorana mari-pankasitrahana rehefa nanaraka fiofanana ahafahany manatsara ny fihariany. Niofana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina, fiompiana kisoa, fanaovana mofo mamy sy nahandro, zaitra ary fahaiza-manao mahakasika ny varotra izy ireo.

Nihaona tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny vondron’ny Skoto eto Antananarivo Renivohitra, ny herinandro teo. Nitafa tamin’izy ireo ny ben’ny Tanàna Harilala Ramanantsoa. Hisy hetsika roa hatao hiarahana amin’ny tanàn’Antananarivo. Ny voalohany, asa mifanandrify amin’ny vanim-potoana na koa ilaina maika ka atao isan-telovolana. Ny faharoa kosa, mahakasika ny fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena.

Natomboka ny andiany fahatelo amin’ny tetikasa fitantanana ny fako mivaingana eto Antananarivo. Tanjona ny hanamafisana ny fomba fandraofana sy fitaomana ny fako ho eny amin’ny tobim-pako amin’”ny alalan’ireo fitaovana efa voatokana amin’izany sy ny hanentanana ny mponina hahay hanavaka ny fako mora lo sy ny tsy mora lo.

Nitondra lesona ho an’ireo ray aman-dreny mpaka mpianatra, na ireo mpanampy, na ny sekoly ihany koa iny tranga teny Alasora nahafaty ankizikely iny. Mbola anaty oram-be isika ka hamafisina ny fiarovana ny ain’ireo ankizy madinika tsy ho lasan’ny riaka na ho latsaka anaty lavaka.

Partager sur: