Hitohy ny rotsakorana saika manerana ny Nosy ary faritra mena ny eto Analamanga, raha ny tatitry ny Meteo. Miato hatry ny omaly sy androany ny fampianarana amina Cisco maromaro eto Analamanga. Tsy mianatra ny mpianatra.
Nanapa-kevitra ny Dren Analamanga ny hampitsahatra vonjimaika ny fampianarana amin’ireo Cisco maromaro nanomboka omaly, ho fitsinjovana ny ain’ny mpianatra ao anatin’izao ora-mikija izao.
Voakasiky ny fampitsaharana ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana ary Anjozorobe.
Nanomboka omaly ary mitohy anio ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana. Noraisina io fanapahan-kevitra io araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny atitany izay manambara fa tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny faritra Analamanga manontolo amin’ny rotsakorana miteraka fiakaran’ny rano.
Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny mpiasan’ny fanabeazana no nandraisana ny fepetra hanakatonana ny sekoly rehetra na miankina amin’ny fanjakana na tsia, mba hisorohana ny loza ateraky ny orambe.
Maro amin’ireo mpianatra no mipetraka amin’ny faritra iva izay dibo-drano. Misy amin’izy ireo mihitsy no traboina ka sahirana amin’ny famonjena sekoly. Mandeha tanimbary dibo-drano ka ahina hitera-doza, indrindra ho an’ny ankizy madinika. Maro ihany koa ny loza mitatao eny an-dalana toy ny fihotsahan’ny tany, riaka mahery vaika….
Miverina mianatra kosa ny mpianatra rahampitso alarobia raha toa ka miverina amin’ny laoniny ny toetry ny andro. Arakaraka ny zava-misy any amin’ireo Cisco no hiverenan’ny fisokafan’ny sekoly.
Mampitsahatra ny fampianarana ihany koa, ao anatin’ny roa andro, ny Dren Vatovavy noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana. Niaraha-nanapaka tamin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Mananjary, Ifanadiana ary Nosy Varika izany.
Tatiana A