Nahatsikaritra tsy fahatomombanana ny Holafitry ny farmasianina nandritra ny fifidianana filankevitra farany teo. Mitsangana ny komity hihaona amin’ny minisitera hanarenana ny lesoka.
Taorian’ny fivoriana nataon’ny farmasianina, ny herinandro teo, nilaza izy ireo fa nisy tsy fahatomombanana ny zotram-pifidianana ny filankevitry ny Holafitry ny farmasianina natao farany teo.
Maro ireo teboka tsy lavorary ao amin’ny zotram-pifidianana, ireo didim-pitondrana ary fanapahana navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Noferana ho ireo mpikambana latsaky ny 50 taona ihany no afaka fidiana kanefa efa miohatra an’io taona io avokoa ny ankamaroan’ny farmasianina.
Tanjona ny mba hisian’ny fifidianana mangarahara, tsy manilika noho ny antony famerana ny taonan’ny mpilatsaka hofidina ary koa tsy mitanila.
Mangataka fifampidinihana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny farmasianina hanarenana ny lesoka. Ny fangatahan’ny iray am-pahatelon’ny mpikambana, araka ny voafaritry ny fitsipi-pifehezana anatiny no nanaovana ny fanapahan-kevitra.
Niompana tamin’ny fangataham-panazavana sy fifanakalozan-kevitra momba ny zotram-pifidianana napetraky ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fivoriana.
Tonga nivory ireo mpikambana eto Analamanga, ary tamin’ny alalan’ny fampitain-davitra kosa ny an’ireo farmasianina any amin’ny faritra.
Nohamafisin’ny farmasianina ny foto-kevitra maha mahaleo tena ny holafitra, araka ny sata sy ny adidy aman’andraikiny. Mandala ny fifampidinihana eo amin’ny fifandraisany amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa.
Natsangana ny delegasiona najoron’ny fivoriambe ary nahazo ny fankatoavan’ny farmasianina rehetra nandray anjara. Hanomana ny fihaonana sy fifampidinihana amin’ny minisitera izy ireo.
Tatiana A