Noho ny fisian’ny filazana loza miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano sy ny mety ho fitohizan’izany ho an’Antananarivo sy ny manodidina, araka ny fampitandreman’ny BNGRC, mbola tsy mianatra ny mpianatra anio alarobia 19 febroary 2025. Voakasik’izany ny Cisco Tanà Ville, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, ary ny Cisco Anjozorobe. Miverina ny fampianarana ny alakamisy 20 febroary 2025 raha tapitra ny fampitandremana miloko mena avy amin’ny BNGRC, koa entanina ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny vaovao. Mitohy ny rotsakorana sady mbola mihatra ny loza manambana amin’ny haavon’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo.
Nampahafantarina ny rehetra ny fampandehanana ny tondrozotra mahakasika ny fanomezana Vitamina A amin’ny andavanandro ny zaza 6-59 volana. Tanjona ny hampaharitra ny fanomezana ny tolotra. Kendrena ho ny 80% ny zaza 6-59 volana no hisitraka izany, omena indroa isan-taona.
Ny zoma 21 febroary izao no hanatanterahina ny fambolena hazo iombonan’ny fianakaviamben’ny sekoly FJKM eny Andranofeno, Ankazobe. Eo am-piomanana amin’ny Andron’ny sekoly FJKM 2025 koa ankehitriny izay hotanterahina any Nosy Be Hell ville. Hisy hetsika maro hotanterahina ho amin’ny enti-miatrika izany asa fanabeazana izany.
Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fisoratana anarana amin’ny Andron’ny skoto aty Afrika, andiany faha-15, hatao ny 12 hatramin’ny 15 marsa 2025, eny amin’ny Cnaps Vontovorona. Afaka mandray anjara amin’izany ireo beazina teraka ny taona 2010 no miakatra, mahafehy tsara ny teny frantsay na/sy teny anglisy, liana amin’ny fitrandrahana ny talenta iraisam-pirenena, toy ny PTTC, DRR, D4P, Nutrition, SGS…
Nanaraka fiofanana ireo mpianatra taona fahatelo ao amin’ny LTP Antsirabe. “Famadihana ny nofinofy ho tanteraka, famolavolana ho avy am-pahatokisana” no lohahevitra, nandritra izany. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra hanana nofinofy sy vina mazava ho an’ny hoavy, hamadika ny nofy ho lasa tanjona azo tanterahina, ho sahy hiatrika ny fiainana sy ny fianarana am-pahatokisana.