Miara-miasa ny ATT, DGSR, ny kaominina ao Toamasina, ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Nentanina sy nampianarina ireo mpamily kodiaran-droa ao an-toerana. Ao koa ireo kodiaran-telo misy motera (Tuk Tuk) sy tsy misy motera (Cyclo-Pousse).
Hitohy manerana ny Nosy ny oram-pahavaratra, hoy ny meteo Madagasikara. Mila miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano hatrany satria misy faritra mbola tena betsaka ny rotsakorana. Hisy fikorontanana hitoetra any amin’ny lakandranon’i Mozambika, amin’ny faramparan’ny herinandro. Ho maina kosa any amin’ny tendrony atsimo.
Teny amin’ny fitaleavana misahana ny fanaovana vaksiny, eny Ivato, no natao ny fananganan-tsainan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity. Noantitranterina ny hisian’ny fitantanana mirindra ny fizarana toromarika mazava mifototra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny fomba fiasa, mba hisy fiantraikany mivantana sy mahasoa ny vahoaka.
Zokiolona sy olona manana fahasembanana miisa 400 ao Maevatanàna nomena tantsoroka tamin’ny alalan’ny vary tsinjo sy menaka. Natao izao ho fanohanana azy ireo izay voasokajy ho marefo noho ny toe-batany. Manan-jo toy ny olona rehetra ireo olona manana fahasembanana ka tsy tokony hisy tombo sy hala.