Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina, ny atrikasa fifampizarana sy famolavolana ireo fitaovana enti-mampiofana ny fandaharanasa “Sandwatch” sy ny fitaovam-pampianarana “Kit Mad’ErE”. Miompana amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny morontsiraka ary ny torapasika ny fandaharanasa “Sandwatch”. Fitaovam-pampianarana, novolavolain’ny CREE niaraka tamin’ny Giz Page 2, kosa ny Kit MAD’ErE. Natao hanampiana ny mpampianatra amin’ny fampitana fahalalana mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana izy ireo. Natao hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa. Tanjona ny hanaraha-maso sy handrefesana ny morontsiraka, mba hitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany. Tafiditra amin’ny politika mifandraika amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy izany. Nitarika sy mandrindra ny tetikasa ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco sy ny Centre de recherche en éducation environnementale (CREE). Miara-misalahy amin’izy ireo, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
Nisy ny tohana ara-bola sy ara-teknika avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka nahafahan’ny fandaharanasa. Anisan’izany, ny Agence Française de développement (AFD), Commission de l’océan Indien (COI), Résilience côtière (Projet Recos) ary ny Fonds français pour l’environnement mondial (FFEM). Hisy ny fampiofanana ireo mpampiofana ao amin’ny Dren Menabe, ho fanatanterahana ity fandaharanasa ity. Homena fiofanana ihany koa ireo mpampianatra avy amin’ireo sekoly voafantina, izay hisitraka ny tetikasa.
Mino