Faritra Atsinanana : velaran-tany 3.572 ha voavoly hazo

Tratra ny tanjona tamin’ny fambolen-kazo taona 2022 ho an’ny faritra Atsinanana. Vela­ran-tany nirefy 3.572 ha no voavoly hazo nandritra ny taona iny. “Efa nihoaran’ny faritra Atsinanana ny fanamby ho an’ny taona 2022 izay tokony nambolena hazo ny velaran-tany 3.000 ha”, hoy ny talem-paritry ny totolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Tezena Lionel Armando, omaly. Nitarika ny fambolen-kazo tamin’izany ny governoram-paritra, Rafidison Richard Theodore sy ny ekipa teknikany. Ho an’ny taona 2023 ko­sa, handray ny taom-panokafana ofisialy fanindroany misesy ny fambolen-kazo ny faritra Atsinanana. Tontosaina ny 19 janoary izao izany ka ho volena ny velaran-tany mirefy 100 ha ao amin’ny fokotany Antseranandavitra, tany kaominaly io nomena ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana mba hanaovana fambolen-kazo  avy amin’ny kaominina ambanivohitra Ilaka atsinanana, disitrikan’ i Vatomandry. Mizara amin’ny fomba roa ny fambolen-kazo, ny velarantany 25 hekitara hamafazana voa amin’ny alalan’ny “drone” , 75 hekitara kosa hanaovana fambolena mahazatra amin’ny alalan’ny fandevenana fototra zana-kazo.

Niakatra ny antontan’isan’ny fahamaizana
Tetsy ankilany, nanamafy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny ny fiarovana ny ala ao an-toerana fa niakatra ny tahan’ny antontanisa eo amin’ny fahamaizan’ala ,tao amin’ny faritra Atsinanana ny taona 2022 teo. Notsindriany fa mitana ny laharana voalohany amin’izany ny distrikan’i Bric­ka­ville sy Mahanoro. Nironga­tra izay tsy izy ny doro tanety sy ny tavy tao amin’ireo distrika roa ireo. Niharan’ny famaizana koa ny ala arovana ha­naovana fikarohana eto amintsika, mitotaly 10 ha izany, toy ny ao Antetezana Foulpointe, Parc Ivoloina, MNP Betam­pona-Ambodiriana ary ny tao Analalava–Foulpointe. Mari­hi­na, mbola tsy vita io antontan’isa mirakitra ny fiakaran’ny fahamaizana tao an-toerana io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.

Sajo/TsiferanaR.

Partager sur: