Faritra Menabe: tsara ny voka-bary, voanjo sy tsaramaso tamin’ny 2022

Tsara toerana ny faritra Menabe tamin’ny taon-dasa 2022 teo amin’ny fambolena nahafantarana azy hatramin’izay. Tohizana amin’ity taona izany fanatsarana ny kalitao sy ny fampitomboana ny vokatra izany.

Mitohy ny fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra Me­na­be tamin’iny 2022 iny. Distrikan’i Mahabo no voalohany amin’ny famokaram-bary. Tafakatra 580 000 t ny voka-bary tany an-toerana tamin’ny 2022, 30 000 t ny voanjo , ary 20 000 t ny tsaramaso. Tsara ireo vokatra laharam-pahamehana any an-toerana ireo. Laharam-pahamehana satria mampalaza ny faritra, foto-piveloman’ny tan­tsaha maro, ary efa betsaka ny manangona ireo karazam-bokatra ireo any Menabe.
Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa Papriz, FDA, Formaprod, sns nanatsara ny voka-bary. Nisy ihany koa ireo tohana nentin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Noho ireo ezaka natao nisy fiakarany ieo vokatra ireo, izay mbola hohatsaraina izany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka
amin’ity taona 2023 ity. Satria miezaka hatrany ny an-toerana hanatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, noho ny fananana velaran-tany midadasika.

Samy manana ny mampiavaka azy ireo distrika dimy ao amin’ny faritra Menabe amin’ireo fambolena. Ny fahazoan’ny tantsaha masomboly vary, ohatra, misy mampiavaka azy amin’ireo distrika ireo, ary miankina amin’izay koa ny mpiara-miombon’antoka manaakaiky azy.

Ezahina ny hanavao ny fambolena
Ezahina koa ireo tantsaha mpamboly hanavao ny fomba fambolena, indrindra ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Tokony zahana, ohatra, ny tohodrano, ny toetr’andro sy tekinika mifandraika amin’izay , ary ny fitaovana hampiasaina.

Mbola olana amin’ny faritra maro ny fomba fambolena sy fiompiana tany amin’ny 100 taona lasa, tsy misy fiovana. Na miova sehatra ny sasany miala amin’ny fambolena sy fiompiana.

Ndrina

Partager sur: