Handray ny andraikitra tandrify azy ny minisitera misahana ny varotra sy ny Fanjifana. «Ny fandikan-dalàna na fanafenana entam-barotra, toy ny vary dia hiharan’ny sazy henjana. Eo koa ny sazy amin’ny maha mpivarotra azy», hoy ny tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC), Razanakoto Isidore, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny tsenan’Anosibe.
Nanao rodobe nidina teny amin’ny mpamongady ny avy ao amin’ny MICC nahitana ny DGCC, ny DPC (Tale misahana ny fiarovana ny mpanjifa), DCI (Talen’ny Varotra Anatiny), ny avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ary ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa FIMZOMPAM.
Nivoitra tamin’izany fa ampy ny tahirim-bary. Ny vidin’ny vary nafarana sy ny vokatra eto an-toerana no misy elanelana. Raha 2180 Ar ka hatramin’ny 2400 Ar ny kilaon’ny vary nafarana eny amin’ny mpamongady dia tafakatra hatramin’ny 3000 Ar izany ho an’ny vary vokatra eto an-toerana. “Tohizana ny ezaka hampitomboana ny fiparitahan’ny vary nafarana eny an-tsena sy hatrany amin’ny fokontany”, hoy ny Tale jeneraly Razanakoto Isidore.
Ho an’ny filohan’ny FIMZOMPAM, Rabarison Tiana, nanamarika fa “isika samy isika ihany no mifanararaotra” ka anisan’ny mahatonga ny zava-misy ankehitriny. Nohamafisiny moa ny fisian’ny vary naparitaky ny minisitera miaraka amin’ny SPM any amin’ny toeram-pivarotana samihafa any amin’ny fokontany amin’izao fotoana izao. Vary amidy 650 Ar ny kapoaka.
Ndrina