Natao omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny sakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Tafiditra amin’ny fanohanana ny minisitera amin’ny fanamafisana ny politikam-pirenena fiarovana ny sosialin’ny mponina izao natao izao ary haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Ny fiarovana ara-tsosialy eto Madagaskara dia ny fitambaran’ireo rafitra maro sy fandaharanasa hapetraka mba hisian’ny tohana ara-bola sy sosialy ho an’ny marefo. Natao hahafahana miatrika ny voina vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny loza voajanahary ary ireo krizy ara-toekarena sy izay mety ho ambana hafa miteraka fahasahiranana izany.
Entina hampihenana ny fahantrana sy hisian’ny fitovian-jo ara-tsosialy, indrindra ny fanamafisana ny fomba fiaina mirindra eo amin’ny mponina ihany koa izany.
Ny minisitera dia mandrafitra paikady ao anain’ny 6 taona ahafahana miasa. Tafiditra amin’izany ny Haratonaina ho an’ny ankohonana marefo.
Drafitra sy paikady
Nandray anjara tamin’ny famolavolana ny antontan-kevitra ary nampifanandrify ny fiarovana ara-tsosialy ny governemanta amin’ny drafitra sy paikady ho an’ny firenena ny eo anivon’ny Pam.
Mifototra amina andry telo lehibe izany: ny fanohanana ireo hetsika hanamafisana ny fahaiza-mitantana eo amin’ny fiarovana ara-tsosialy…, ny famatsiana fitaovana sy ny tohana ara-teknika ireo rafitra mpanatateraka ny politikam-pirenena. ..
Tatiana A