Mahazo vahana ny tsy an’asa manerana ny Nosy, mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny olona tokony hiasa, araka ny tombantomban’ny olona iray ao amin’ny minisiteran’ny Asa.
Maivana dia maivana ny tahan’olona am-perinasa, 3 % hatramin’ny 4 % ny tanora, ary 1,5 % izany manerana ny faritra. Nanambara ny ao amin’ny minisitera tamin’ny fanazavana natao fa misy ezaka atao ao anatin’ny governemanta mba hisian’ny asa vaovao eto Madagasikara.
Na izany aza, mbola ambony ny tahan’ny tsy an’asa manerana ny Nosy. Nanazava ny minisiteran’ny Asa fa misy ezaka ataon’ny governemanta hisian’ny asa vaovao. Manomboka izao izay voakasika izany, manazava ao amin’ny minisitera ny fanambarana noraisina eo amin’ny tsenan’ asa.
Fantatra fa laharam-pahamehana noraisina ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera (Tic), asa vaventy sy ny toeram-ponenana, sehatry ny fizahantany, trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana, fanaovan-damba sy ny kojakoja miaraka aminy. Marihina anefa fa betsaka ihany koa ny asa ivelan’ny ara-dalàna.
Ndrina