Tetiandrom-pianarana : Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny

Sanganehana ny ray aman-dreny sy ireo mpianatra manoloana ny tetiandrom-pianarana. Ireo Cisco nahazo fampitsaharana vonjimaika, milaza fa miverina mianatra avokoa ireo mpianatra amin’ny herinandro raha milamina ny toetry ny andro.
Etsy andaniny anefa, efa voafaritry ny tetiandro fa miditra amin’ny fialantsasatra fohy manomboka ny 22 febroary hatramin’ny 2 marsa ireo mpianatra. Ankoatra izay, tsy mbola nisy nahatanteraka ny andron’ny sekoly izay tokony ho natao nanomboka ny alarobia teo ireo sekoly tratra ny fahatapahan’ny fampianarana sy ny rotsakorana nisesy ka niteraka ny fiakaran’ny rano. Efa samy nampiomana ny ray aman-dreny sy ireo mpianatra ny sekoly amin’ny fitafy hanaovana amin’izany andron’ny sekoly izany. Efa vonona rahateo ny ankizy hiatrika ny fety isan-karazany hanaovana ireo akanjo efa nomanina.
Misy amin’ireo sekoly hamerina ny mpianatra an-tsekoly amin’ny alatsinainy ary hanao ny fetin-tsekoly. Tsy hanisy fialantsasatra fohy intsony fa avy hatrany dia hanohy ny fampianarana noho ny fahatapatapahana lava. Ao anatin’ny fialantsasatra fahatelo ao anatin’ny taom-pianarana 2024-2025 ny fampianarana amin’izao fotoana. Hiditra amin’ny famaramparanana ny lesona aorian’izay, mialoha ny tena hiatrehana ny fizarana sy fanamafisana hiatrehana ny fanadinana.

Tatiana A

Partager sur: