Matetika ankehitriny ny fahatapahan-jiro any Kiev hatramin’ny nisian’ny ady Ukraine. Maharitra fotoana lava ny fahatapahan’ny herinaratra, indrindra hatramin’ny fandarohan’ ny Rosianina ireo fotodrafitrasa any an-toerana. Ao renivohitra Kiev, efa matetika izao ny fahatapahan’ny herinaratra, ary manomboka zatra izany ny mponina. Efa manomboka zatra ny tsy fisian’ny herinaratra ny mponina, mihena rahateo ny hazavana ao an-tanàna, ary tsy atahorana ny mivezivezy amin’ny alina. Na izany aza, samy hafa ny fomba fiainana any an-tanàna, araka ny tanàna miaina ao anatin’ny haizina. Araka izay ihany koa ny hoenti-miaina.
Hisy ny Fihaonambe iraisam-pirenena hanampiana an’i Pakistan noho ny tondra-drano manimba azy. Naroso tamin’ny COP 27 tany Charm el-Cheik izany ho famoronana tahiry hanampiana ireo tena iharan’ny fiovan’ny toetr’andro. Mbola tsisy anefa io tahiry io izao, fa hampiana hatrany ireo firenena iharan-doza noho ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny any Pakistan, potiky ny tondra-drano tamin’ny 2022…Nomanin’ny Firenena mikambana (ONU) omaly 9 janoary tany Genève, ny fanarenana ny firenena. Betsaka ny ilaina amin’izany, hoy ny Sekretara jenarilin’ny ONU, Antonio Guterres, sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ary ieo filohan’ny Firenen-kafa nilaza ny heviny. Miliara dolara maro ny fanampiana iraisam-pirenena nangatahan’i Pakistan ho fanarenana sy fanamboarana noho ny fiovan’ny toetr’andro.
Voalohany izao maneran-tany ny vaksiny fiarovana
amin’ny fiompiana tantely, izay nankatoavin’ny governemanta amerikanina tamin’ny 3 janoary 2023. Nomena anarana hoe “Paenibacillus larvae bacterin” izany vaksiny izany hiarovana ireo tantely amin’ny karazam-biby “loque”, miteraka aretina goavana. Hatramin’ny 2019, efa very 40 % noho ny valanaretina ny fiompiana tantely. Hanavotana izany, nankatoavin’ny “Dalan Animal Health”, any Etazonia ny ahazoana miaro ny fiompiana tantely. Nambara fa vonona ry zareo ao amin’io sampana “Dalan Animal Health” io miaro amin’ny aretina “Paenibacillus larvae bacterin”. Talohan’izao, voatery ireo mpiompy mandoro ny fiompiana, ary manao izay fomba hisakanana tsy hiparitahany.
Noferana ny fakàna lelavola any Nizeria nanomboka omaly 9 janoary 2023, manomboka eo amin’ny 20 000 nairas isan’andro izany (42 euros) ka hatramin’ny 500 000 nairas isan-kerinandro ( tokony ho 1050 euros). Noraisina ny fepetra io hamerana ny vola mihodina sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Fepetra goavana noraisina izany amin’ny firenena be mpnonina aty Afrika, toy ry zareo Nizerianina be mpampiasa lelavola, indrindra fa ireo mpivarotra sy ny mponina any ambanivohitra.