Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza nateraky ny ora-mikija raha ny isa navoakan’ny BNGRC, omaly. Tafakatra 17 908 ireo traboina, tao anatin’ny tokantrano 4 712. Teto Analamanga avokoa ny 158 627 tamin’ireo ary tany Menabe ny 2 164. Mizara amin’ny toerana samihafa ny ambiny.
Olona 10 468 kosa no tsy maintsy nafindra toerana tamin’ireo tokantrano 3 083 ary napetraka amin’ny tobin’ny traboina miisa 29. Mitontaly 3 261 kosa ny trano dibo-drano, trano 5 hafa nahitana fahapotehana ary 13 rava.
Mitohy ny fandraisana an-tanana ireo traboina eny amin’ny fitobian’izy ireo izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo minisitera isan-tsokajiny.
Nojerena manokana omaly, ireo ankizy simba ny fitaovam-pianarany vokatry ny rano ka nizaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fitaovam-pianarana. Tanjona ny hahafahana manohy fianarana aorian’ny fiatoana. Mahatratra 785 ireo mpianatra traboina nisitraka izany.
Tatiana A