Tombanana mbola ho betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy afovoany andrefan’i Madagasikara. 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora.
Foana kosa ny fampitandremana noho ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny afovoan-tany. Mbola hitohy hatrany anefa ny orana amin’ny ankapobeny, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Vokany, misy fampitandremana miloko mena amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ho avy izao. Voakasik’izany ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Atsinanana ary ny distrikan’ i Morombe sy Taolagnaro.
Mety hitarika fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro, fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo izany ho an’ireo toerana voakasika.
Mihatra koa ny fahamailoana miloko mavo amin’ ny mety ho fiakaran’ny renirano ho an’ny faritra Melaky sy Menabe ary Atsimo Andrefana. Noho izany, tokony ho mailo hatrany amin’ny fiakaran’ny renirano ny mponina amin’ny faritra mora tondraka sy manamorona ireto renirano ireto : Manambolo (distrika Antsalova), Tsiribihina (distrika Belo sur Tsiribihina sy Miandrivazo), Morondava (distrika Morondava sy Mahabo) ary Mangoky (distrika Morombe).
Navoaka ny rano hisorohana ny fahavakisana
Eto Antananarivo, taorian’ ny fisafoana faharoa nataon’ ny BNGRC sy ny Apipa tao Ambodifasina, tapaka fa hotanterahina ny asa fampitana rano amin’ny alalan’ny famoahana rano hisorohana ny fahavakisan’ny rano amin’ ny toerana antsoina hoe Vavafolo, akaikin’ny Site Samcrete (tetikasam-panjakana). Hitarina ho any amin’ny Lac Ivato ireo rano. Ho fanatanterahana ny asa, paompy roa no natolotry ny BNGRC sy ny Apipa hitarika ireo rano ireo izay notanterahina ny faran’ny herinandro ka ny Zandarimaria no hiantoka ny fandriampahalemana mandritra ny asa.
Vonjy