Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny asa fanamboarana ny lalana eny Ankatso II. Ny faritra amboarina dia manodidina ny 800 m² manomboka eo amin’ny barrière Ankatso I midina mankany Ankatso II. Hahazoana lalana maharitra sy tsara kalitao, hatao amin’ny endrika “pavé” ny ampahany amin’ny lalana ary godirao kosa ny ampahany hafa. Vokatry ny fifampidinihan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ireo tomponandraikitra, napetraka ho laharam-pahamehana ny fahavitrihan’ny asa na dia amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao aza. Vinavinaina ho 90 andro ny haharetan’ny asa, araka ny fanazavan’ ny lehiben’ny tetikasa fanamboarana, Razafimamonjy Fred-Nirina Honoré, avy amin’ny EGC Tiana. Na izany aza, miankina amin’ny toetr’andro ihany koa ny fahatontosany fa hotanterahina faran’izay haingana ka ho azon’ny mpampiasa ampiasaina indray. Hotapaka vonjimaika ny lalana manomboka androany, ho tapaka isan’andro amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro, mandra-pahavitan’ny asa. Nifarimbona amin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony amin’ny alalan’ny Centre Régional des Œuvres Universitaires d’Antananarivo (CROU-A) sy ny minisiteran’ny Asa Vaventy ary ny faritra Analamanga.
Vonjy