INDRAY MIJERY

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 15 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho ny 14 ka hatramin’ny 19 febroary lasa teo ary iray no naratra. 18 355 ny traboina avy amin’ny tokantrano 4 825. Mahatratra 60 214 ny olona nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 1883 ary mipetraka amin’ny toeram-pandraisana 20. Misy trano 3 337 dibo-drano, dimy simba ary 14 ravan’ny rotsakorana.
Tao anatin’ny dian’ny minisitry ny Fam­pia­narana Teknika sy ny fanofanana arakasa tao amin’ny faritra Ihorombe, distrikan’i Ihosy, nanatanteraka hetsika maro izy niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Nisy ny fitsidihana ny Centre AFF ary nijery akaiky ny zava-misy amin’ny fanofanana arakasa ho an’ny tanora. Nandalo tao amin’ny Foyer des Jeunes, Saint Vincent de Paul koa ny minisitra ary nifampizara sy nandinika ny fivoaran’ny fiofanana sy ny fiahiana ny tanora.
Tonga soa aman-tsara ao Toamasina ireo boky miisa 2 248 700 mirakitra ny torolalana sy ny haifampianarana taranja Malagasy sy Matematika kilasy T1, T2, T3, ho an’ny mpampianatra, ny faran’ny herinandro teo. Hozaraina manerana ireo Dren 23 isa sy Cisco miisa 114 manerana ny Nosy izany. Nanao ny fandraisana ara-tekinika izany ireo tomponandraikitra avy any amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo teknisianina maro avy any amin’ny Ivontoeram-piofanana nasionaly ara-pedagojia.

Partager sur: