Tolotrasa any ivelany : Mila mailo amin’ny endrika famarinana olombelona

Mahaliana tanora maro ny hiasa any ivelany. Tsy mora ny asa any ary mila mitandrina fatratra amin’ny mety ho fivadihan’ny tolotrasa ho fanararaotana na famarinana olombelona.

Ihazakazahan’ny tanora, eny fa na ny olon-dehibe aza, ny fandehanana any ivelany hitady ravinahitra. Mikarama amin’ny vola vahiny no tena fanirian’ireo tanora, na ireo nianatra be na ireo tsy manana diplaoma dia samy roboka.
Manaitra ny sain’izy ireny anefa ny birao nasionaly mi­ady amin’ny famarinana olombelona amin’ny fahamailoana tokony hananana raha hiasa any an-tanin’olona mba tsy ho tratran’ny fanararaotana mitarika amin’ny famarinana olombelona.
Matetika «visa touristique» no entina miala eto Mada­gasikara ary rehefa tonga any an-toerana dia omena ny orinasa mpampiasa ny pasipaoro. Eo dia efa olana satria tsy ahafahana mivezivezy raha vao tsy mitondra pasipaoro.
Tokony ho ara-dalàna avokoa ny taratasy entina miala eto Madagasikara (visa long séjour, autorisation de travail, contrat de travail…). Hiso­rohana ny fanararaotana ataon’ireo mpanelanelana na mpampiasa any amin’ny toerana hivahiniana izany.
Ny fifanarahana arak’asa dia tokony hampandalovina eny anivon’ny minisitera misahana ny asa sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mialoha ny hiaingana eto Mada­gasikara.
Misy ny tolotrasa iarahan’ny minisitera amin’ny orinasa avy any ivelany Quebec international. Azo antoka satria ny fanjakana mihitsy no mikarakara izany. Handraisana mpiasa malagasy maro ho any Canada izany. Ny 28 janoary hatramin’ny 28 marsa ny fisoratana anarana amin’izany asa izany. Ny 25 sy 26 avrily kosa ny fanadihadiana atao amin’ireo liana amin’ilay tolotrasa. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa ihany no misahana ny fampahafantarana momba izany tolotrasa izany fa tsy misy fanelanelanana hafa ialana amin’ny fisolokiana sy fanararaotana.

Tatiana A

Partager sur: