Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo eny Tanjombato, ao amin’ny orinasa King Deer Cashmere, ny foibem-piofanana amin’ny fiteny sinoa sy ny fahaiza-manao. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny masoivohon’i Sina eto amintsika izany.
Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Notsiahiviny fa tafiditra tanteraka amin’ny politikan’ny fanjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ity tetikasa ity, izay manome lanja ny fanofanana sy ny fampivelarana ny maha olona ho fototry ny fampandrosoana.
Taorian’izay, nisy fifanakalozana niarahana amin’ireo tomponandraikitra hampandrosoana ity foibe ity. Teo koa ny fitsidihana ny orinasa.
Efa maro ny Malagasy mahafehy ny tenim-pirenena sinoa amin’izao fotoana izao satria matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo, indrindra eo amin’ny varotra sy ny teknolojia vaovao.
Vonjy