Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an’i Madagasikara. Ny iray mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ary ny faharoa kosa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ity farany izay manambana ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. Mbola mitoetra eto amin’ny Nosy ny ampahan’ny Zone de convergence inter tropical amin’izao fotoana izao. Mbola hahazo vahana, araka izany, ny oram-baratra amin’ny ankapobeny, indrindra ny ilany andrefana sy ny tapany atsimon’ny Nosy. Tombanana hiverina ho maina ny andro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ato anatin’ny roa andro ho avy. Mety hiitatra aty amin’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanana izany manomboka ny alakamisy ho avy izao. Vinavinaina hitohy kosa ny oram-baratra any amin’ny faritra Andrefana. Noho ny fisian’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, tombanana ho betsaka kokoa ny rotsakorana any Melaky, Menabe ary Atsimo andrefana, mandritra ity herinandro ity. Tsy hisy fiakarana amin’ny ankapobeny ny maripana ho an’ny afovoantany, ny tapany avaratra ary ny morontsiraka atsinanana amin’ny fizarana faharoa amin’ny herinandro. Mety hidina kosa izany ho an’ny tapany atsimo sy atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. 15- 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 25 – 37°C ny tolakandro.
Vonjy