Hitohy hatrany ny fijerena ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mahakasika ny fanaovana vaksiny. Ezaka iray lehibe natomboky ny filohan’ny Repoblika nanomboka ny taona 2019 ny fanovana ny vata fampangatsiahana fitehirizam-bakisiny handeha amin’ny herin’ny masoandro. Heverina ho tratra anatin’ity enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ny tanjona ka handeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ny 100% amin’ny fitehirizam-bakisiny rehetra.
Iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny ivontoeram-pikarohana mahakasika ny ranomasina (CNRO) ao Nosy Be. Marobe ny zavatra mbola azo trandrahina ao an-toerana ary tsapa fa tokony hisongadina kokoa ity ivontoeram-pikarohana ity. Nitsidika tany an-toerana ny minisitra mpiahy, ny faran’ny herinandro teo.
Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fisoratana anarana amin’ny “Africa Scout Day”, andiany faha-15, izay hatao ny 12 hatramin’ny 15 marsa, eny amin’ny campus Cnaps Vontovorona. Azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny rohy http://bit.ly/4gFBcYv. Afaka mandray anjara ireo beazina manomboka amin’ny 14 taona, mahafehy tsara ny teny frantsay na/sy teny anglisy….
Ny Conim dia mitaky ny hitadiavana ny marina sy hanasaziana ny nahavanon-doza tamin’ny fahafatesan’ilay rasazy lany ben’ny Tanàna nisy namono. Mangataka ny tomponandraikitra mba hanamafy ny fandriampahalemana any amin’ireo toerana iasan’ireny mpiasan’ny fahasalamana ireny.