MEF-Pnud : Natao ny tombana, naroso ny tondrozotra

Nikarakara jery todika, fanao isan-taona, ho an’ny taona 2024 sy ny fanolorana ny tondrozotra sy paikady ho an’ny taona 2025 amin’ny fandaharanasa 2024 -2028 ny governemanta malagasy sy ny fandaharanasan’ny Fire­nena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), omaly, teny Anosy. Fana­mafisana ny fanjakana tan-dalàna, ny fandriampahalemana, ny fanatsarana ny vokatra azo avy amin’ny asa, ny famoronana asa mendrika ary ny fampiroboroboana ny toekarena mifaninana no anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany. Eo koa ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana.
Nahafahana naneho ny vokatra lehibe ho an’ny taona 2024 amin’ny fanasongadinana ny tanjaka sy ny fahalemen’ny fampiharana natao ny atrikasa. Nanolorana ny fandraisana an-tanana lehibe momba ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandray anjara isan-karazany ho an’ny fandaharanasan’ny firenena, ho an’ny taona 2024-2028 koa. Eo koa ny tanjona fototra ho an’ny taona 2025.
Nampahatsiahivina ireo zava-bita tamin’ny taona 2024 mifandraika amin’ny fiaraha-miasa. Ny fanohanana ny Lalàmpanorenana sy ny filaminana. Ny fanohanana ny hetsika ataon’ny firaisamonina sivily, ny fampitomboana ny fahalalana ho an’ny firaisamonim-pirenena miisa 118 ihany koa. Momba ny “Fanga­raharana sy ny tamberin’andraikitra amin’ny tetibolam-panjakana” no nohalalinina tamin’izany. Nanentana azy ireo handray anjara amin’ny fizotry ny tetibola sy hitaky ny tamberin’andraikitra ihany koa ireo mpitarika

Tatiana A

Partager sur: