Fampandrosoana: Mahantra ny 70 % maherin’ny Malagasy

“Tsy misitraka ireo tolotra fototra toy ny fanabeazana, fa­hasalamana na trano mendrika ny 70% maherin’ny Ma­la­­gasy”, hoy ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny « Note de conjoncture économique de Madagascar”, na­voa­kany ny talata teo. Soka­jiany ho mahantra ny 70 % ny mponina eto Mada­gasikara, noho izy ireo mivelona latsaky ny 2,15 dolara isan’andro. Ambany ny vokatra entina hanatsarana ny fari-piainany na dia niakatra 4,2% ny harinkarena faobe, ny taona 2024. Tombanany hiakatra 4,7 % io taha io eo anelanelan’ny taona 2025 sy 2027. Voalaza fa anisan’ny nampitombo izany ny sehatry ny lamba, ny harena an-kibon’ny tany ary ny tolotra samihafa.
Famokaran’ny orinasa
Misongadina ao anatin’ny tatitra fa ambany ny tahan’ny famokarana eto Madaga­sikara. Mamokatra avo telo heny noho ny mpiasa malagasy iray, hoy izy, ny ao amin’ny faritra Atsimon’i Sa­hara. Mahatonga izany ny elanelana eo amin’ny famatsiam-bola. Marefo ihany koa ny sampandraharaha fototra toy ny jiro sy ny rano eto amintsika, manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-pitaterana. “Mila ampitom­boina ny famoronana asa hampihenana ny fahantrana”, hoy ny tomponandraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Mada­gasikara, Atou Seck. Mila hamafisina, hoy izy, ny famokarana angovo, tokony hatsaraina ny lafiny niomerika ary mila hampitomboina ny fotodrafitrasa.

Henintsoa Hani

Partager sur: