Manomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-18, mampifandray an’i Vangaindrano sy Befotaka, faritra Atsimo Atsinanana. Mirefy 136 km ity lalana ity, ka anisan’ny asa hatao ny fanotofana sy fandravonana ny lalana, ny fandrarahana vatokely sy fametrahana « béton ». Eo koa ny fanamboarana ny sisin-dalana sy ny lakandrano.
Nampahafantarina, omaly, ireo fepetra vaovao momba ny hetra. Voakasika ao anatin’izany ireo orinasa sy indostria madinika sy salantsalany (PME/PMI) ary ireo orinasa vaventy. Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny fadintseranana malagasy. Hetsika natao teny amin’ny Antenimieran’ ny indostria sy ny varotra. (CCIA)
Hifantoka amin’ny fandrindrana ny ezaka sy fampiraisana ny fanarenana ny rohivohary ny « groupe thématique mangroves » (GTM). Mivondrona ao anatin’izany ireo mpisehatra samihafa handinika ny fananganana ny vondrona sy ny drafitrasa ho an’ny taona 2025. Laharam-pahamehana ny fitantanana ny honko sy ny famerana ny ala honko.
Miisa 8 000 ny zanakazo nambolena tany Antseseha, fokontany Manamby, distrika Mahabo, faritra Menabe, ny 26 febroary teo. Nitarika azy ny lehiben’ny distrika Mahabo, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny minisitera isan-tsokajiny ary ny fokonolona. Nentanina ny rehetra hanamafy ny fanaraha-maso ny zanakazo nambolena.