Ady amin’ny fanondranana olona ; Nofanina ny fikambanana Facha

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olona sy ny fikambanan’ny vehivavy Antesaka ho an’ny fanovana (Facha).
Manamarika ny dingana ara-dalàna amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny sonia. Tanjona ny hanamafisana ny ezaka amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Ha­mafisina ny fepetra ho fisorohana izany. Handray anjara ny fikambanana Facha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana toy ny any Vangaindrano sy Farafangana. Hampivoatra ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana ao aminy. Eo koa ny hamantatra ny tranga famarinana olona sy hanao tatitra ireo tranga mety hitera-doza.
Anisan’ny lasibatra amin’ny tranga famarinana olombelona ny vehivavy, indrindra ireo sahirana. Marefo rahateo rehefa ao anaty fahasahiranana ka mora araraotin’ny hafa. Mila fahamailoana anefa satria miainga amin’ny fanararaotana ny mitarika amin’ny mety ho fanondranana mihitsy indraindray rehefa tena lasa alavitra. Izany indrindra no ilaina ny fampahafantarana ireo andriambavilanitra anaty fikambanana. Tanjona ny tsy ho azon’ny loza amin’ny fanondranana antsokosoko.

Tatiana A

Partager sur: