Ny ekipan’ny Serbie no hidona voalohany amin’ ny Ankoay, lehilahy, mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, hatao any Thailande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Ny ekipan’i Chine kosa no miandry ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Ekipa samy mafy ireo ekipa roa ireo saingy efa manoman-tena mafy ny Ankoay.
Araka ny vaovao voaray eo anivon’ny Ligin’ Analamanga, dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fifaninanana baolina kitra anaty efitrano nokarakarain’izy ireo. Tsiahivina fa tokony hanomboka androany io fifanintsanana io, saingy tsy fantatra mazava ny antony nanemorana azy ity.
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny alahady 2 marsa izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina basikety Antananarivo Renivohitra, sokajy N1B, izay tanterahina eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Anisan’ny hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny AKBB sy ny ekipan’ny Cosfa, eo amin’ny sokajy lehilahy.
Vita ny antsapaka sy ny fizaram-bondrona, ho an’ny fifaninanana « XXL Smatchin by Be Connect », taranja basikety, hatao ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ny toerana roa hafa. Ao amin’ny vondrona D miaraka amin’ny Faculté médecine, ISPM, Aceem, UCM ary IMGAM no misy ny ekipa tompondaka farany, lehilahy, ny Umagis.




