Manao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona manomboka ny alatsinainy ho avy izao hatramin’ny zoma ny mpiasan’ny CSB II Tanambao Sotema (Mahajanga).
Efa misy lamina ny fanatanterahana ny asa ka natokana ho an’ny vaksiny BCG, ny talata, ary ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro kosa, ny alakamisy (faha-9 volana – 15 volana) satria, tsy azo tehirizina mihoatra ny adiny enina ny vaksiny iray. « Lanjaina hatrany ny zaza rehetra rehefa manao vaksiny hanaraha-maso ny fitomboany », hoy ny tomponandraikitry ny vaksiny, rasazy Hermina.
Miaro ny zaza amin’ny karazan’aretina maro ny vaksiny: raboka, difteria, tetanosy, fivalanana, hepatite B, méningite, lefakozatra, kitrotro, kohadavareny…
Isam-bolana, manodidina ny 40 ny zaza manao vaksiny BCG ary 50 ny kitrotro. Rehefa fahavaratra, mihena ny isan’ny reny tonga mitondra ny zanany hatao vaksiny noho ny toetr’ andro indrindra ireo mipetraka lavidavitra.
“Manana registre de vaccination ny CSB II ary voalamina araka ny anarana sy ny faritra misy ny zaza rehetra. Raha sendra very ny karinem-baksiny, afaka hamarinina ao anatin’ ny registre ny vaksiny efa vita ary homena karine vaovao ilay zaza”, hoy ny fanazavany. Tsy sakana amin’ny fanohizana
ny vaksiny ny tsy fananana karine.
Karohana isan-tokantrano ireo tsy tonga
Avahana isam-bolana ny fichen’ireo zaza tsy tonga nanohy ny vaksiny ka andraikitry ny mpanentana ara-pahasalamana no miantso ny ray aman-dreny manontany ny antony tsy nahatongavany nanao vaksiny. Efatra isam-bolana eo ho eo ny zaza efa 3 taona no mihoatra tsy vita vaksiny raha dimy isan-kerinandro kosa ireo zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy. Ireo fianakaviana mipetraka lavitra amin’ny faritra tsy misy CSB no tena ahitana ny tranga. Rehefa miakatra eo amin’ny tanàn-dehibe izy ireo matetika vao mampanao vaksiny ny zanany.
Ho an’ny reny kosa, 25 isam-bolana ireo manao ny vaksiny miaro amin’ny tetanosy. Fatra dimy no atao ka rehefa misafo voalohany no atao ny iray. Afaka iray volana ny faharoa ary aorian’ny fahenim-bolana ny fahatelo. Rehefa vita ny vaksiny dimy. Manana antoka ilay vehivavy fa vooaro tanteraka amin’ny aretina tetanosy.
Vonjy