Distrikan’i Marovoay: Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny ray aman-dreny ny fanaovam-baksiny

Ilaina ho mafonja kokoa ny fanentanana ny isan-tokantrano momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovam-baksiny ny ankizy latsaky ny 5 taona. “Tsy tokony ho andraikitry ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny AC ny fandresen-dahatra fa manana anjara biriky daholo ny isam-batan’olona », hoy ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Marovoay.

“Sarotra ny fanatanterahana ny fanaovam-baksiny ho an’ny distrikan’i Marovoay (Mahajanga). Tsara ny vokatra azo ny taona 2024 satria tratra ny tanjona. Vita vaksiny ny 80% ireo zaza tokony hisitraka izany vokatry ny ezaka nataon’ny mpanentana ara-pahasalamana sy ny mpiasan’ny fahasalamana”, hoy ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana eo anivon’ny distrika, ny Dr Biankinana Andriantsarafara Renel. Vonona ny AC amin’ny fokontany160 sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanao ny asa. Saingy, tsy mbola mametraka ho laharam-pahamehana amin’ny fanaovana vaksiny ny ray aman-dreny. Lasa olana ny famonjena tsena isan-kerinandro ka ambara fa tsy manana fotoana hanaovana vaksiny izy ireo nefa toerana misy tobim-pahasalamana avokoa ny tsena lehibe isan-kerinandro fa tsy manatona eny ny ray aman-dreny. Ohatra ny ao Marovoay, tampon-tanàna, andro tsena ny talata sy zoma ary misokatra tsy tapaka ny CSB II, afaka mandray ireo hitondra ny zanany hatao vaksiny.
Ezaka natao hamahana ny olana ny fanentanana sy fanatonana ny vahoaka eny ifotony. Hijerena fotoana manokana mihitsy hidinana eny amin’ny fokontany sy ny secteur ary ny vohitra misy azy ireo. Misy fampahafantarana mialoha amin’ny lehiben’ny AC sy ny sefo fokontany fa ho avy ny mpanao vaksiny. Indraindray, ny fidinana isam-bolana aza tsy vita satria miahy fokontany 10 ny CSB sasany. Zava-dehibe ny fampahafantarana ny tombontsoa azo amin’ny vaksiny sy ny loza aterany raha tsy vita mba handresen-dahatra ireo ray aman-dreny. Mila entanina sy manao fanentanana daholo koa ny rehetra hatrany an-dakilasy ka tokony hiaraha-manentana hisian’ny fahatongavan-tsaina faobe.
“Misy lehiben’ny fokontany sasany mandà ny vaksiny mihitsy ka voatery miantso olona hafa hanampy tosika amin’ny fandresen-dahatra”, hoy ity teknisianina mpiasan’ny fahasalamana ity.
Kaominina 13 no mandrafitra ny distrika izay manana mponina 243 180, araka ny antontanisa ho an’ny taona 2025, mahatratra 38 908 ny zaza latsaky ny 5 taona ary ny vao teraka hatramin’ny 23 volana ny 8725 amin’ireo.

Voatetin’ny AC sy ny dokotera ny secteur dimy

“Voatetin’ny mpanentana ara-pahasalamana sy ny mpitsabo ao amin’ny CSB Urbain Marovoay ny secteur dimy ao amin’ny fokontany Ambovomavo, ao amin’ny kaominina ambonivohitra Marovoay”, hoy ny sefo fokontany ao an-toerana, Raholison Rabemananjara. Tsara ny fanentanana ka vita vaksiny daholo ny ankizy tokony hisitraka izany. 8 333 ny isan’ny mponina anatin’ny secteur dimy sahanin’ny AC roa sy ny dokotera. Teo aloha, nisy tsy resy lahatra ireo ray aman-dreny fa niova hevitra rehefa nidina ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana nanao sisin-kevitra.

 

 

Partager sur: