Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hotanterahina any Mahajanga ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo.
Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy no lohahevitra hovoizina amin’ity taona ity. Eo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ny fankalazana rehetra hatao.
Any Mahajanga no hanaovana ny fankalazana nasionaly. Hosantarina amin’ny fambolen-kazo ny hetsika, ny 6 marsa, iarahana amin’ny fikambanam-behivavy maro. Arahina fanentanana sy fampiofanana momba ny zon’ny vehivavy izany. Hisy ny fampiofanana momba ny fihariana hampiakarana ny fidiram-bolan’ny vehivavy.
Eny amoron-dranomasina (bord) no hanokafana ny tranoheva misy ny fampirantiana mahakasika ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny vehivavy. Hotokanana ny 7 marsa ny ivontoerana fandraisana an-tanana ny vehivavy iharan’ny herisetra sy ny “Maison digital des femmes” izay iarahana amin’ny Fondation Orange.
Hisy koa ny atrikasa samihafa iarahana amin’ny minisitera misehatra amin’ny fanentanana sy fampiofanana ny vehivavy. Diabe atao eny amin’ny Village touristique no hatao mandritra ny ivon’ny fankalazana ary eo no handraisana ny toromarika amin’ny alalan’ny kabary ofisialy izay hataon’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy.
Tatiana A