Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley, hatao any Maorisy. Fifaninanana izay tokony hanomboka anio saingy nasiana fihemorana iray andro noho ny toetr’andro any an-toerana. Ho an’i Madagasikara, omaly tamin’ny 5 ora hariva no nanainga hihazo an’i Maorisy ny delegasiona hiatrika ity fifaninanana ity. Ny ekipan’ny GNVB no nahazoana vaovao ka 30 no handrafitra ny delegasiona, ahitana mpilalao 12, lehilahy sy 12, vehivavy, miampy ny mpanazatra sy Staff teknika. Araka ny fandaharam-potoana, omaly no nanaovana ny fivoriana ara-teknika voalohany nataon’ireo komity mpikarakara. Nanomboka tonga tsikelikely omaly ihany koa ny delegasiona hafa ary vinavinaina hatao anio ny antsapaka sy fizaram-bondrona. Hanomboka rahampitso alahady kosa ny fifanintsanana. Hatramin’ny 6 marsa no hanaovana ny lalao fifanintsanana. Ny 7 sy 8 marsa no hanatanterahina ny dingana farany amin’ity andiany faha-29 amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, hatao any Maorisy ity.
Mi.Raz