Tsy nitsanga-menatra ny Makis de Madagascar, nandritra ny dingana voalohany niadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Nitana ny laharana fahenina i Madagasikara. Tsara toerana amin’ny fiadiana ny laharana 8 voalohany.
Nifarana omaly alahady, tao amin’ny Kianja Athlone Stadium ao Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Challenger series 2025”, taranja rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, natokana ho an’ireo sokajy Senior, lehilahy. Tsara ny vokatra ho an’ny Makis de Madagascar, satria nahazo ny laharana fahenina rehefa resin’i Portugal, tamin’ny isa 22 no ho 19.
Raha tsiahivina, fandresena 2 sy faharesena 2 no azon’ny Malagasy, nandritra ny fihaonana nataony. Nandresy an’i Hong-Kong Chine, tamin’ny isa 21 no ho 19, teo amin’ny lalao voalohany, ho an’ny sokajy “D”. Niady ny fihaonana satria efa nitarika tamin’ny isa 19 no ho 14 i Chine, no nahatsindry baolina teo anoloan’ny haintso ny Makis, tany amin’ny fiafaran’ny fotoana izay voatsara ka nivoahana ho mpandresy. Tsy nitohy anefa izay fahombiazana izay fa nomontsanin’i Canada, tamin’ny isa mavesatra, 38 no ho 0 teo amin’ny lalao faharoa. Nanantombo teo amin’ny haben’ny vatana ny kanadianina. Tsy nahita irika nandinganana mihitsy ny Makis. Voatosika hatrany tao anaty “avant”.
Vokatra nametraka azy ireo, teo amin’ny laharana faharoa. Taorian’io nifanandrina tamin’i Japon, ka mbola nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 28 no ho 26. Tsara toerana aloha ny Makis de Madagascar, amin’ity “Challenger series 2025” ity. Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fihaonana ny zoma 7 sy ny sabotsy 8 marsa ho avy izao. Atambatra ny isa azon’ireo firenena 12 ka manohy ny fifaninanana hatao any Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao, ireo firenena 8 voalohany.
Tompondaka