“World Cola PFL” : Afa-bela ny Elgeco Plus

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baoliana kitra “World Cola PFL”. Afa-bela tamin’ny ekipan’ny Dsiciples FC Vakinankaratra, tompondaka farany, ny Elgeco Plus Analamanga, laharana faharoan’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny taon-dasa. Lalao natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-pass.
Resin’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipan’i Vakinankaratra. Raha hiverenana ny fifanandrinana, hita nifandanja ny fifanafihana teo amin’ny roa tonta. Baolina “coup franc” tafiditr’i Datsiry, vodilaharan’ny Elgeco, teo amin’ny minitra faha-45, fizaram-potoana voalohany no nitondra fandresena ho an’ny ekipan’Analamanga.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa lavon’ny Disciples FC, 1 no ho 0, ny Elgeco, nandritra ny lalao famaranan’ny PFL 2024 lasa teo. Ankoatra izay, niondrika teo anatrehan’ny As Fanalamanga, 1 no ho 0, ihany koa ny Fosa Junior Boeny, ny sabotsy teo, teny Iavoloha.

F.R

Partager sur: